Malala a
Henonoko ny vavan'ny hafa
Tsapako ny hirifiry sy ny latsa ataony anao.
Fa
(inanao)
, efa ianao no tiko ianao no safidiko
Ka
Ninoninona ataony anao
De
Aza manahy (malala,
aza natahotra) akory
Fa efa vonona aho
(Ny)
Hiady hampandresy anao Hiezaka hamaly ny hetahetanao
(Sy)
Handrovitra ny lambako noho ny ranomasonao.
Malala a!
Ra tomany ny any, malahelo ny aty
Noho izany, izay rehetra
tsapanao,tsapako
Zay hitanao,tazako
Ny ratranao feriko
Fa raha
ny ranomasonao milatsaka
Avelao hirotsaka, handonaka ny fitiavantsika
Fa na ianao lazany tsy lafatra (aminy , ...)
De
Tsarovy fa ianao feno eto anatrehako
(Satria ianao) tontolo sy fanaperako
Ka
mitsangana malala
Raiso ny tanako de etsy ianao ho tantanako
afindrao ny tongotra fa tsy maintsy tody aky isika !
Haiko fa!
mbola lavitra ny lalana
Mbola misy ny ho tratrarina
Fa
mitsangana ry tiko a!
Miankina eto atratrako
(Mitehana eto antsandriko )
De
Mitraka,mitraka
( fa aza miondrika)
Fa ianao anie tsy irery e
Mbola tsy rendrika ny
sambon-kelintsika
Fa
Herezo malala
Mbola eto aho handrinao
Omeo (aty) lanjaiko izay tsy zaka omeo
sitraniko izay (mety) ratranao
Fa ianao na latsainy hankahalainy tsy ho tiaviny
De (tsarovy fa)
Tsy hainy fa
ianao harenako,(volamenako),mamiko Mamiratra na de hosena aza.